23 octobre 2008

Ny karazan'akoho mpiady ankehitriny


Avy any Asia no niavian’ny genus Gallus ary nisampana ho karazany 4 izy io dia ny:Gallus varius,Gallus sonneratii,GAluus lafayettei ary ny Gallus gallus.Arakan’ny fikarohana nataon’ny Darwin tamin’nt taona 1875 dia ny ity Gallus gallus ity no razamben’ny akoho izay ompiantsika ankehitriny ity,ary tamin’ny alalan’ny fijerevana ny ADN ny no nahafantarana izany.

Ny fiompiana ny akoho dia nanomboka tany Taiwan sy ny firenena manodidina ny Azia atsimo atsinana iny.ary tonga hatrany Chine tamin’ny 6000 A.C.Ny fiompiana ity biby ity dia nisy nifandrasainy tamin’ny fomba sy ny finoana ary ny fialamboly.

Raha any karazan’ny akoho fiompy dia mizara ho karazany efatra:
-Ny akoho mpanatody lava
-Ny akoho mpiady
-Ny akoho nofosana atao sakafo
-Ny akoho natao ho haingo

Raha ny akoho mpiady hita eto Madagasikara amin’izao vaininandro izao no resahina dia avy amin’ny fifangaroan’ny karazan’akoho maro samy hafa no nanome izany.Ny fikarohana ara-tsiantifika mikasika izany aloha dia tsy mbola nisy hatramin’izao fa raha ny toe-batany sy ny toetrany amin’ny akampobeny dia izay no azo lazaina.
Ny fototrin’ny karazan’ny akoho mpiady moa dia ny:Bankivoid sy ny Malayoid.Ity voalahany dia irony be volo,lava fantsy sy maranitra,lava rambo izay tia mihanikanika;ary ny faharoa kosa dia irony akoho nofosana tsy dia lava rambo mandady amin’ny tany irony.
Ny akoho lazaintsika akoho mpiady ankehitriny dia ny fifangarohan’ny Malay avy any azia atsimo atsinanana ny Asil avy any Inde ,ny Shamo avy any Japon ary ny akoho avy any Eoropa toy ny OEG,ny akoho avy Espagne .Ny ataontsika hoe importé dia ny akoho vahiny fotsy na mainty ny tongony nefa na ireny akoho Kalamena , Kalamainty ny Mavolamba ny Poizina….lazaintsika ho tena tsy mifangaro ireny aza dia fifangaroan’ny akoho vahiny ihany koa.
Ny mahamavo ny lokon’ny tongotrin’ny akoho moa dia marihina fa avy amin’ny fihinana zavamaitso.
Raha ny fanadiadiana nataonay dia izay no razan’ireo akoho lahy mpiadintsika ireo.Raha misy te hanome fanazavana fanampiny mikasika io dia raisina atandroa indrindra ireo mpiompy akoho mpiady.

Nangonin’i Bary

24 commentaires:

Anonyme a dit…

Ny tiako ho marihina voalohany dia ilay fitenenantsika hoe ahoho mpiady sy akoho gasy. Raha ny fahalalako, dia tsy hoe akoho gasy sy akoho mpiady ny akoho. Na izy mpiady na tsy mpiady. Ny akoho tsy mpiady pure no lazaintsika fa akoho gasy.

Faharoa, tsy efa tokony asiana site web Malagasy ho an'ny adin'akoho sy ny manodidina azy ve? Amin'izany, dia asiana rubrique isan- karazany: tatitra mikasika ny adin'akoho tary sy tatsy, fikarakarana ny akoho mpiady, vaovao mikasika ny karazan'akoho, thique amin'ny adin'akoho,...

Anisan'ny hazoto isanandro hitsidika izany site web izany aho.

Ity ny adiresiko:gasyservice@yahoo.com

Unknown a dit…

Sarotra dia sarotra ny fikarakarana ny akoho mpiady satria ankoatra ny fanomezana sakafo sy ny fanadiovana izay atao @ akoho mpanatody ohatra dia mila fikarakarana manokana izy ireo.
Mila adin'iray farafahakeliny isan'andro ny fikarakarana akoho mpiady iray rehefa omanina hiakatra izy. Mila fitiavana koa satria tsy mahaleo ny sarany ny vidiny. Ny akoho tena karakaraina dia mety ahalany any @ 100 000 Ar isam-bolana (sakafo, fanafody, fiambenana, ...) na mihoatra aza.

Ny suggestion-ko: tokony hisy sie web na échange de race.
Izaho izao manana race:
- Bengale
- Chaire noire
- Mexique
- Lita
- Tsy laizina
Kanefa mitady an'ireto aho:
- Poizina (pur sang)
- Maputo
adiresy: rharijaona@yahoo.fr

Anonyme a dit…

Mety be zany asina site adin'akoho zany e !!!

Fa tsy efa izy ve ity e

ity koa ny adiresy mail anay sao de misy mahalina ifanampina e

ngah_b@hotmail.com

Koto a dit…

Zay manohana e,milay be daholo le proposition

Unknown a dit…

slt za vo anomboka hiompy miints dia mba mangataka toro hevitra eh!merci
trandriambololona@gmail.com

Anonyme a dit…

Tena tsara mintsy le evitra antsika rehetra mpankafy azy io satria mba misy hifanakalozana hevitra.
Ny olana mantsy de izao: otran'ny ahy zao de mis blem kely: marary lery zany oe tara ny fanindromana azy de mtsilezolezo lery nefa iz mkaly ihany. tohanako aratsakafo fona lery de mba itako velona.
Nijery tao @ internet za oe inona no azo atao mba hiarovana az ra toa ka mis ny toy izany. ts nahita za fa de io ara-tsakafo io iany. ka eto no mba anontaniako hoe mba homeo vaha olana za @ zay blem zay satria tiana le biby de ts maints mtady . ka ra to mba mis toro-hevitra kely de ito ny adresy mailko: raferdi6@gmail.com
Manatena fiaraha-miasa fa mjaly lery.
Merci d'avance @reo

Anonyme a dit…

afaka mividy ari ani v za fa vo anomboka ividy

Anonyme a dit…

Mahafinaritra ilay finiavana.
Mpiompy sady mpampiady ny tenako. Popol no ahafantaran'ny mpampiady akoho ahy.Ampanetren-tena no ilazako fa nankalaza ny faha 232 ny isan'ny akoho lahy niady nivoaka tao amin'ny fisokoko aho tamin'ny alahady 01 jiona 2014.
Tia manao "défi" izahay tamin'ny fotoan'androny.
Be ny zavatra azo ambara raha ity adin'akoho ity no resahana.
Anay ilay akoholahy "lita" lasa tantara sy karazan'akoho. Ato an-tranonay ny lohany (natao haingon-trano) sy ny sarany.
Kolon-tsaina koa ny adin'akoho sady fanabeazana.

Tohizo fa mahafinaritra

Anonyme a dit…

mba te hahalala be be kuku amle resk akoh fa mahaliana e//...

Anonyme a dit…

Salama e! Ny tiako hofantarina dia ireo teny fampiasa manokana amin'ny adin'akoholahy, toy ny hoe lemasira, sns. Inona no tena hevitr'izy ireny? Misaotra e!

Unknown a dit…

Manja le resaka ato.
Tsy mpampiady akoho ny tenako fa teknisiana fambolena sy fiompiana.
Mahaliana ny resaka ato.

Anonyme a dit…

Salama e ! Mba azonao tantaraina anay ve ny momba an'i Lita ry Popol ? Misaotra indrindra

Unknown a dit…

Saika hamaly ilay fanontaniana fa tsy nety tafiditra mihitsy.
Popol

Unknown a dit…

Lava be ny tantaran’i Litakely fa ho tsongaiko eto ny voasoratra (extrait de l’histoire de l’écurie Litakely) tamin’ny 2003. Akoho zanatany I Litakely.

Efa nanaovanay boky kely manko ny mikasika an’ Litakely sy ny “Ecurie Litakely” (Palamares, Arbre généalogique de plus de 20ans, sarin’ny taranany….)Efa nisy mpianatra tao amin’ny INSCAE aza nanao Mémoire de fin d’étude MASTER mikasika ny fampiadiana ny taranak’i Litakely.Nahavita ny "bazarinay isan-kerinandro tamin'ny fotoan'androny.Tanteraka ara-bakiteny ilay sady kilalao no harena.

I Toto vadin’ny Marie be eny Tanjombato no nanome ny anariny hoe Litakely. Mahafinaritra sy mahasondriana ny mijery ny adiny”.Spectacle” no azo ilazana azy satria hafa kely (“exceptionnel”).

……In-droapolo i Litakely no niady . ……

Tsy mbola nisy akoho mpiady nahavita ny vitan’i Lita hatramin’izay ka hatramin’izao teo amin’ny isan’ny ady vita kanefa saika efa nomanina daholo ny akoho niady taminy ……………Nisy fotoana niadian’i Lita saika isa-tapa bolana na isan-kerinandro aza.

…….Akoho fetsy sy misaina i Lita. « Milalao » izy, mahay manafina ny lohany. Mahalala ny fotoana tokony ihafenana ao ambany akoho ao rehefa mafy ny ady ary mahafantatra ny fotoana tsy tokony isitrihana intsony rehefa voany ny mpifanandrina aminy.

……. « mitsiritsirika » sy mangarangarana toy ny olona izy Akoho « midina » izy kanefa rehefa midina indray ny akoho miady aminy dia mijoro izy. Vitsy ny akoho niady taminy no nitovy habe taminy fa saika akoho lehibe noho izy avokoa no ankabeazany. Raha vao mahazo toerana anefa izy na kely na lehibe ny miady aminy dia naman’ny vita ny ady satria akoho tena mamely fantsy tokoa i Litakely.( Misy film teo amin’ny 10mn teo vao nalainay tamin’ity janoary 2016 ity mampiseho ny famelezana sy fiharetan’ny taranak’I Lita. Tsy misy hifandraisana amin’ireny sary mivoaka milaza fa Lita ireny)

….Namely vanton-dahany i Lita ary nampitolagaga tamin’ny lava fantsy. Porofon’izany dia tsy maintsy poaka foana ny akoho nifanandrina taminy. Nisy ny poa-droa tamin’izany. Nisy ny maty an-daharana, nisy ny maty aorian’ny ady noho ny fahavoazana. Raha vao poakany ny mpifanandrina aminy dia mizotra mankany amin’ny fandreseny ny lalan’ny ady satria akoho tena mahay manararaotra ny fahavoazan’ny ankilany izy.

Tsy vitan’ny famelezana sy fahaiza-miady fotsiny anefa ny ady fa mila fiharetana ny mafy koa izay hatsarana manokana nananan’i Lita kely ihany koa.
Nalaza sy nanjaka i Litakely nandritra ny efa-taona latsaka teo .Nanakoako eran’ny nosy ny lazany ka zary lasa tantara teo amin’ny sehatry ny adin’akoho ny anaran’i Litakely.
Notsiriritina ny taranak’i Lita ary zary nataon’ny mpanararaotra fandokafam-barotra (hosoka mampalahelo) ny « karazana Litakely » hono. Maro anefa ny te hananana fa tsy mahaleo ny vitsy ambinina.

Miala tsiny aho milaza etoana fa ireny sary avoaka amin’ny youtube ireny tsy misy ifandraisana amin’ny adin’I Lita mihitsy na kely aza.
Izay aloha fa sao lava loatra

bekibo a dit…

Nisy fotoana I lita nanao tamin'ny fotsy rambon'i Sylvain dia sahala fa avy ny orana. ...tadidinao vé? :) #Sylvain

Anonyme a dit…

Fa maninona ity sera ity no tsy mitohy nefa tena mahaliana

Unknown a dit…

Tsy mbola nanao sahala mihitsy i Lita fa i L'or noir no niantsoinay ilay akoho sahala fa avy ny orana teny Antsofinondry. Ary an'i Tamatave Travaux no nanao taminy tamin'izay.Ary mba iza moa i Sylvain izany azafady?

Unknown a dit…

Zah manana local vatodahany tena mafy daka ary mahay miady fa saingy ts mahatafiditra fantsy mintsy hany ka sahala foana ny ady satria ts mety mitsoaka mints ny adversaire mandrapahatapitrin'ny lera
Azo atao ve ny mirectifié an io akoho io hahay mampiditra fantsy?

Unknown a dit…

Merci

Unknown a dit…

slt mba omeo torohevitra aho fa ny akohoko misoufle refa miady sady tsy mety mahazo vatana nefa avo be de rehefa miady izy dia raha akoho mitov aminy diatsy mahatapaka azy noho izy avo nefa za te hapahazo vozona azy omeo torohevitra

Unknown a dit…

salama daholo ry akama isany! saika mba anotany fomba fanaovana croisement fa mba tehanana akoho tsarako zah?ny adress mail:jeanchrimanampyl@gmail.com

Yaroun Le Roi a dit…
Ce commentaire a été supprimé par l'auteur.
Yaroun Le Roi a dit…

Salama daholo,moa ve misy ahafantarana ireo "race" voalaza ireo raha amin'ny endriny ety ivelany?misaotra indrindra.

Anonyme a dit…

salama e, mba te ahafantatra oe, otrin ny ahoana ny akoho, iray no atao oe mahay miady, fomba ahalalana ny race ny, mankasitraka